<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>317</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 O, ry Rain'ny fahazavana
 tsy milentika !
 Avy izahay mitondra ny
 fisaorana ;
 Aloky ny fasanay
 no nipetrahanay,
 Nefa andro no nasolonao
 ny alinay.

[V2]
 Enga ka handroso tsara
 ny mazava e,
 Mba ho fantatray tokoa
 Ilay manoa hoe :
 « Izaho no fahazavan'izao
 tontolo izao ».
 Hanazava sy hanitsy
 izay alehanao.

[V3]
 Ny Fitarikandron'aina
 efa hita re,
 Manazava na ny kely
 na ny lehibe.
 Mahasoa, mahahendry,
 mahasambatra,
 Ka akory re ny andro
 izay hiposaka !

[V4]
 Mitsangàna, ry Ziona,
 ka mihazavà !
 Voninahitry ny Tompo
 no miposaka ;
 Atopazy manodidina
 ny masonao.
 Ny haren'ny firenena
 tonga aminao.</lyrics>
<title>O, ry Rain'ny fahazavana tsy milentika! FFPM317</title>
</song>